NY SAKRAMENTA FAMARITANA

Avy amin’ny teny latina hoe: “SACREMENTUM” izay nadikan’ny Rain’ny Fiangonana Jérôme avy @ ny teny grika hoe:“mustériòn” ny sakramenta ( Dan.2:19,30,47; 4:6, Efes.1:9;3:3,9; 5:3; Kol.1:1; I Tim.3:16; Apok.1:20; 17:7). Na dia miverina in-27 ao @ T.V aza anefa io teny io dia tsy milaza ny @ ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo akory, fa milaza zava-miafina ny Sakramenta.

NY HEVITRA SAMIHAFA

Nampiasain’ny Romana io teny “sacrementum” io ilazany ny vola napetraky ny andaniny roa teo @ ny mpitsara raha miady. Very vola izay resy @izany. Nampiasaina koa ilazana ny fianianana nataon’ny miaramila Romana t@ ny amperora. Misy marika entina @ izany atao hoe:“signum” na “insigne”. Koa fanekena sy fianianana ataon’ny miaramila mitondra famantarana izy @izany. Izany antony izany no nahatonga ny Fiangonana nandray sy nampiasa io teny io. Tsy hita ao anatin’ny Baiboly io teny io fa nampiasan’ny Fiangonana.

NY HEVITRA KRISTIANA

Amin’ny Fiangonana kristiana kosa dia ny Sakramenta no mampiseho @ ny fomba hita maso ny fahasoavan’Andriamanitra izay tsy hita maso.

FOTOTRA ARA-TSORATRA MASINA

- Ny fanekena nataon’Atra no fototry ny Sakramenta (Gen.17:9-11)
-Mitondra ho @ ny fiainam-baovao ny Sakramenta (Rom.6:3-4)
- Kristy sorona ho antsika ny Sakramenta (I Kor.5:7).

Toriana aloha ny Tenin’Atra vao atolotra ny Sakramenta @ ny fomba hita maso ary ny asan’ny Fanahy Masina no Mampanjary ny Sakramenta ho fahasoavana ho an’ny mandray.

NY ISAN’NY SAKRAMENTA

Ady hevitra naharitra ela teo @ ny Fiangonana izany, ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo dia samy nekena hatrany fa ny fanampiny maro samihafa no niadian-kevitra.
- Damien nilaza fa nisy 12 izy t@ny siekla faha 11
- Denys l’Aréopagite dia nilaza fa 6 no isany
- Bernard de Cleraux dia nilaza fa tsy voafetra ny isany
- Hildebert de Tours t@ ny taona 1134 nilaza fa 9 ny isany.
- Godetroi, abbé de Vendôme nilaza fa 5
- Othon, evekan’I Bamberg t@ ny taona 1139 no nilaza voalohany fa 7 ny Sakramenta.
- Thomas d’Aquin t@ny 1227 no nametraka azy ho 7.

Ny concile de Florence t@ ny taona 1439 no nanamafy izany sy ny concile de Trente, zto taona taty aorina. Izany no eken’ny Fiangonana Katolika sy ny Othodoxe dia ireto izany: Batemy, konfirmasiona, ny Ekaristia na ny Fanasan’ny Tompo, ny fivalozana, ny fanasorana farany, ny fanokanana, ary ny mariazy. Hatramin’ny voalohany anefa dia niara-nanaiky ny Rain’ny Fiango-nana fa roa no hany tena Sakramenta dia ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo. Izany no notanan’ny Mpanitsy fivavahana , ka neken’ny Protestanta sy narahiny.

IREO FEPETRA ANEKENA NY SAKRAMENTA

Ireto ny fepetra mba ho Sakramenta ny zavatra iray:
1- Nodidian’i Jesoa Kristy tsara mba hatao: anisan’izany ny Batisa (Mat.28:19) sy ny Fanasan’ny Tompo (I Kor.11: 24-25).
2- Atao ary arahina marika hita maso: mampiasa rano ao @ ny Batisa, ary ny mofo sy divay ao @ ny Fanasan’ny Tompo.
3- Manana tandindona mazava ao @ ny T.T: ny famorana no tandindon’ny Batisa (Gen.17:9-11; Kol.2:11-12) ary ny Paska no tandindon’ny Fanasan’ny Tompo (Eks.12, I Kor. 5:7).
4- Mamintina ny asam-pamonjen’i Kristy: ny Batisa milaza ny fanadiovana sy famelan-keloka nataon’i Kristy ary ny Fanasan’ny Tompo dia milaza ny fanavotana sy ny fiainana omeny.
5- Natao ho an’ny olona rehetra ny Sakramenta . Araka ireo fepetra 5 ireo dia ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo no nekena ho Sakramenta, ary izay antsoina ho fa- nampiny dia tsy mahafeno ireo fepetra ireo ka tsy raisina sy ekena ho Sakramenta.

NY BATISA: NY HEVINY

Ny Sakramentan’ny Batisa no voalohany andraisan’ny mpino ny fahasoavan’ Andriamanitra tsy hita maso. Araka izany maro no milaza azy ho Sakramentan’ny finoana sy vavahady fidirana ho isan’ny Fiangonana; na ny Sakranentan’ny fitsanganana @ ny maty. Ny hevitry ny teny hoe “Batisa” (Baptisma, Baptismos) dia asitrika na alevina.Ao @ ny Septante (LXX) na ny grika mahazatra dia milaza fanasana na fanadiovana (Mar.7:4; Lio.11:38); na fijaliana sy fahoriana be manarona (Mar.10:38-39; Lio. 12:50) .

FANOHARANA NY BATISA

Maro ny zavatra nenti-nanoharana ny Batisa toy ireto:
- Ny ranobe tamin’ny fahariana izao tontolo izao (Gen.1:2)
- Ny ranobe ny safo-dranon’i Noa (I Pet.3:20-21).
- Ny famorana Jiosy izay toy ny famoran’i Kristy(Kol.2:11)
- Ny fitana ny Ranomasina Mena sy Jordana, araka ny lazain’i Paoly (I Kor.10:1,2)
- Ny rano fisasana maro samy hafa ao @ ny T.T (Lev.14:7; Nom.31:21-24).
- Ny fanasitranana an’i Namana tao Jordana (II Mpan.5:10)
- Ny sary tondro ao anaty rano nataon’ny olona t@ny siekla faha 2 sy faha 3.

NY AZO AVY AMIN’NY BATISA

Ireto no azo avy @ ny Batisa:
1- Fanasana @ ny fahotana (Asa.22:16; I Kor.6:11; Efes.5:26; I Pet.3:21-22).
2- hahazoana famelan-keloka (Asa.2:38)
3- Fanomezana ny Fanahy Masina (Asa.10:44; 8:14-17…)
4- Mitafy an’i Kristy , fahamarinana sy ny fiainana masina sy madio (Gal.3:27).
5- Tonga zanak’Andriamanitra satria mitafy an’i Kristy (Gal.3:26-27)

NY FOMBAN’NY BATISA

  • A- 1- Ny Batisa dia natao t@ny rano. Izany no nataon’i Jaona sy ny Apostoly ary ny Fiangonana. I Jaona Mpanao Batisa dia milaza fa ho fanehoana an’i Kristy no anton’ny nanaovana ny Batia @ ny rano (Jao.1:31).
    2- Lazain’i Jaona Mpanao Batisa ihany koa fa i Jesoa dia hanao Batisa @ ny Fanahy Masina (Jao.1:33; Mat.3:11) ary niteny izany t@ ny Apostoly koa i Jesoa (Asa.1:5).
    3- Ny Fahafatesan’i Jesoa @ ny hazofijaliana dia nambarany fa Batisa hafa ihany koa (Lio.12:50; Mar.10:39; I Jao.5:6-8).
    4- Fa voalaza koa ny Batisa @ ny afo ( Mat.3:11; Lio.3:16) mba ho fandevonana ny loto sy ny fahotan’ny atao Batisa.
  • B- Ny fomba nahazatra ny Fiangonana hatramin’ny voalohany dia asitrika ao anaty rano ny fanaovam-batisa, fa vao t@ ny siekla faha 14 vao tena tafiditra ny Batisa rano atao @ ny loha fotsiny. Ary t@ ny concile de Ravenne t@ny taona 1311 no navela halalaka sy hisafidy izay tiany ny Fiangonana. Atao @ ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ny Batisa.

IZA AVY NO ATAO BATISA?

1- Petera dia nilaza hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao Batisa” (Asa.2:38).Koa olona mibebaka izany no atao Batisa.
2- Araka ny Mar.16:13 anefa dia milaza fa “izay mino” rehefa tapa-kevitra sy maha-tapatena hino dia natao Batisa.
3- Voalaza koa fa na lahy na vavy dia natao Batisa (Asa.8:12) Izany dia maneho ny maha hafa azy noho ny famorana .
4- Ny Batisa dia natao t@ ny ankohonan’ilay mino koa (Asa.16:15,33;18:8; I Kor.1:14,16).
5- Natao Batisa ihany koa ny zaza satria ao anatin’ny ankohonana izy.

NY BATISAN’NY ZAZA

Maro ny ady hevitra momba ny Batisan’ny zaza nefa ny fototra ara- tSoratra Masina iorenan’ny Fiangonana momba ny Batisan’ny zaza dia ny Kol.2:11. Amin’ny famorana anefa dia ny lahy ihany no forana kanefa na ny vavy koa aza dia tonga zanaky ny teny fikasana ka mandray ny fahasoavana. Koa raha tsy atao Batisa dieny zaza ny olona dia:
1- Teraka t@ny ota izy ka tsy ho afaka ho isan’ny vahoakan’ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy voadio ho afaka @ ny fahotana (Sal.51:7) .
2- Tsy afaka mandray ny fahasoavan’Andriamanitra ny zaza, tahaka ny zaza voafora rehetra.
3- Mametraka ny zaza ho @ny fahotana sy fahafatesana ny tsy fanaovam-batisa azy. Tsy sitrapon’Andriamanitra ireo rehetra ireo, koa dia tsy sitrapon’Andrimanitra koa ny tsy fanaovana Batisa ny zaza, indrindra ny fandrarana azy.

FEHINY

Amin’ny maha-tombokase ny Batisa, dia tsy averina ny Batisa toy ny famorana ihany ( Rom.4:11). Vita indray mandeha tsy miverina ny nahafatesan’i Kristy mba ho famelan-keloka sy fanadiovana antsika rehetra. Koa dia tokana ny Batisa ( Efes.4:5).

Tsy ny habetsahan’ny rano anaovam-batisa koa no mahavonjy na ny fombafomba hanaovana ny Batisa. Satria ny ran’i Kristy no tena manadio sy mahafa-keloka.

NY FANASAN’NY TOMPO

Toy ny fisian’ireo famantarana roa lehibe teo amin’ny T.T ny amin’ny famorana sy ny sakafon’ny Paska no mampisy koa ao amin’ny Fiangonana ny sakramentan’ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo.

Ny teny milaza ny tantaran’ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo dia hita ao amin’ireto Soratra Masina ireto: Mat.26:17-29; Mar.14:12-25; Lio. 22:7-23; Jao. 6:22-7; 1Kor.11:23-29.

NY HEVITRY NY FANASAN’NY TOMPO

Maro ny ny fiantsoana ny Fanasan’ny Tompo toy ny:
- Famakiana ny Mofo (Asa.2:42)
- Kominiona (communion) na Fiombonana sy Firaisana
- Ekaristia na Fisaorana (I Kor.10:16)

Raha nanaorina ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa dia niainga avy eo amin’ny sakafon’ny Paska Jiosy Izy; satria teo am-panaovana ny sakafon’ny Paska nohanina raha hivoaka an’i Egypta ny Zanak’Israely no naorin’ny Tompo ny sakafon’ny fanafahana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Elanelan’ny sakafo roa lehibe ny Fansan’ny Tompo, dia ny sakafon’ny Paska Jiosy sy ny Fanasan’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry (Apok.19:9).

NY HEVITRY NY TENY FANORENANA

Amin’izany lafiny izany dia milaza fifaliana lehibe ity Fanasana ity, dia fanasana ataon’ny Zanak’Andriamanitra ho an’ny sakaizany. Raha lazaina tsotra izany dia milaza an’i Jesoa sy ny asam-pamonjena vitany sy ny ataony ankehitriny ary ny ho avy. Famantarana ny fiarahana velona @ I Kristy izany, ka miombona @ ny fiainana sy ny fahaftesana, @ ny ady sy ny fandresena, @ ny fahoriana sy ny fifa- liana. Milaza ny firaisana sy ny fiombonana feno @ i Kristy ny Fanasan’ny Tompo ka tonga tena iray Aminy ny mandray Azy. Araka ny I Kor. 11 sy ny Lio.22 dia ireto ny hevitry ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo:
1- Baikon’ny Tompo asainy atao ity:(IKor.11:25;Lio.22:19)
2- Mampahatsiaro ny firaisan’ny T.T sy ny T.V(IKor.11:23). Alina nihinana ny Fanasan’ny Tompo sy ny alin’ny fihinana ny Paska tany Egypta.
3- Tena fanatrehan’ny Tompo ny Fansan’ny Tompo (I Kor.11:24-25; lio.22:19-20). Manamabara ny maha Imanoela Azy Izy ka @ ny lalan’ny fanatrehan’ny Fanhy Masina.
4- Famindrana aina ny Fansan’ny Tompo (Lio.22:19, I Kor.11:24) Raha atolotr’i Kristy ho antsika ny tenany dia profo izany fa efa velona sahady sy nitsangana niaraka tamin’i Kristy isika, ary tonga tenany eto @ izao tontolo izao.
5- Fahatsiarovana ny zava-bitan’ny Tompo t@ny nahafatesany ho antsika ny Fansan’ny Tompo (I Kor.11:25-26).
6- Famelomana antsika isan’andro ny Fansan’ny Tompo ka tsy natao indraimaka momja fa averimberina (I Kor.10:1-4).
7- Fanambarana ny farany @ ny fihavian’ny Tompo koa ny Fansan’ny Tompo, araka ny fanantenana nomena antsika ao aminy (I Kor.11:27-30).

FIANGONANA KRISTIANINA MALAGASY NEW YORK.

MIVERINA LOHA-PEJY